Vehivavy miisa 10 no indray tratran’ny ambalavelona ny faran’ny herinandro teo tany Sambava.
Vehivavy mpanao baolina kitra nifaninana tamin’ilay “coupe vola 200.000 Ar” tanterahina amin’izao fotoana ireo lasibatra ireo. Nandritra ny lalao demi-finale” notanterahina tamin’ny alahady teo no nitrangan’izany. Vehivavy mpilalao iray no nisantatra izany izay nihakarapoka avy hatrany ary tsy nahatsiaro tena intsony. Hihikiaka sy nihinjitra ihany koa ity farany izay toa ohatra ny nisarika ireo namany. Nifandimby tratra ihany koa mantsy ireo mpilalao vehivavy 9 namany hafa; minitra vitsy tsy hifaranan’ny lalao. Raha araka ny fantatra moa dia samy avy ao amin'ny tananan’ Anjombalava Kaominina ambanivohitra Anjagnoveratra izy 10 vavy voan’ny ambalavelona ireto sy ireo nifanandrina taminy. Marihina moa fa efa mihatsara ny fahasalaman’izy 9 vavy raha ny vaovao farany voaray raha nalefa any amin’ny hopitaly Sambava Ambatondrazaka kosa ny iray manaraka fitsaboana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.