Sambava

Tsy misy jiro fa miandry solika!


  • Alakamisy 18 Aprily 2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Io no vaovao notaterin’ny mpanao gazety iray any an-toerana omaly. Ny fahasimban’ny tetezan’I Manambery no voalaza fa antony, ka nanomboka ny alatsinainy teo no nikorontana ny famatsiana. Tsy vao sambany amin’ny fikorontanana anefa io, ary tsy vao izao no nisy delestazy miverimberina tao an-toerana. Porofo fa mitohy ny olan’ny herinaratra ka tafiditra ao anatin’io ny resaka solika. Ara-politika sy ara-toekarena, isan’ireo toerana nizaka ny ngidiny betsaka indrindra avy amin’izao fitondrana izao ny ao Sambava sy ny Faritra SAVA manontolo na teo aza ny fanamboarana ny lalàmpirenena izay ny fitondrana teo aloha no angady nanana azy. Tao anatin’ity fitondrana ity no nahapotika indrindra ny sehatry ny lavanila izay fampanantenana fiakaram-bidy avo 3 heny nampanantenaina tao anatin’ny propagandin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2019, saingy fitotonganana avo folo heny no nitranga. Tsaroan’ny rehetra tsara angamba ilay tranga nanehoan’ny vahoaka ny fahasosorany tamin’ilay mpitondra Bajaj nanao T-shirt Andry Rajoelina. Ankehitriny anefa, tong any fifidianana dia kandida lisitra tokana IRMAR no ao Sambava noho ny kajikajy sy sakantsakana politika nandeha. Vao andro vitsy ny Praiminisitra no nidina ifotony tany, izay adikan’ny olona ho nanao tosika kandida. Io iaraha-mahita io anefa ny fahoriam-bahoaka amin’ny endriny samihafa. Dia mbola misy zavatra betsaka aza antenaina amin’izao fitondrana izao ve?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT