Actualités

SAMBAVA Ramatoa vadiny ihany no nanatsatok’antsy ilay polisy


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Zava-doza no nitranga tany ny faran’ny herinandro teo satria dia polisy am-perinasa iray no maty voatsatok’antsy teo amin’ny tendany.

Ny vadiny ihany no nahavita nanatsatok’antsy ny sous brigadier Tilahy Norbert (35 taona).Nezahana nentina teny amin’ny hopitaly ihany izy mba ho vonjena sy hanaraka fitsaboana saingy tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra.Namela kamboty 2 itompokolahy. Miasa any Maintirano ity polisy ity fa nandalo nitsidika ny tanindrazana no izao tra-doza izao. Efa niasa nandritra ny 2 taona tao Sambava ihany koa izy mialohan’izany. Tsy tena mbola fantatra mazava ny anton’izao fihetsika henjana azo sokajiana ho vono olona izao, fa raha ny vaovao farany aloha dia efa nitolo-batana eny amin’ny mpitandro filaminana ilay vehivavy nahavanon-doza koa dia andrasana izay mety ho tohin’ny fanadihadiana. Noho ilay fiainana sarotra matetika dia lasa tsy mahay miresaka sy mifampihaino intsony ny ao an-tokantrano sy ny eo anivon’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny ; matetika eny anaty tanàna sy eny an-dalambe eny no handrenesana teny tena mahery, miampy teny ratsy ataona ray aman-dreny amin’ny zanany, misy ihany koa ireo ankizy efa tena sahy mamaly ray aman-dreny ary mahateny ny tsy fiteny. Maro be ireo mpifankatia, mpivady no matetika miady, ary tsy misafidy toerana intsony fa na ao an-tokantrano na eny an-dalambe, na eny amin’ny toerana isan-karazany. Ary ny tena loza dia ilay fifampikasihan-tanana sy ny fandraisana izay zavatra sendra ny tanana eo hamelezana . Fomban’ny olona tsy manana fitoniana anaty sy miaina tsindry sy adin-tsaina matetika ilay miteny mahery sy mikasi-tanana io raha ny fandinihan’ny manampahaizana..
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT