Fifanandrifian-javatra sa tena iniana atao ? Ho avy ao Sambava Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina,
vadin’ny filoham-pirenena anio hanokatra ny andiany faharoa amin’ny hetsika hamongorana ny aretina mamany lava mpahazo ny vehivavy. Omaly anefa ry zareo ao amin’ny Jirama dia nanao fampilazana niverimberina tamin’ny haino aman-jery tao an-drenivohitr’i SAVA fa dia ho tapaka ny herinaratra anio, eo anelanelan’ny amin’ny 4 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva. Hisy fanamboarana maika hatao ao amin’ny foibe famokarana herinaratra no voalaza fa antony.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.