Tonga amin’ny ara-bakiteny hoe nikoropaka ny tao an-dapa ny zava-nitranga tao amin’ny lapan’ny tananan’I Sambava ny sabotsy teo.
Tsy fantatra mazava no antony fa dia nisy voay be tafihanika tao an-dapa ary niantsoantso mafy vonjeo tamin’ny fokonolona ilay mpiambina ny lapa izay saika lanin’ity voay sahabo ho 2,60 metatra ity. Tsy hay hoe voay avy aiza izy io, raha ny fampitam-baovaon’ireo nahita ny zava-niseho, fa ny fihezahana namono ity biby ity aloha no nampilomay ny rehetra. Tsy nisy ireo niharan-doza na teo aza anefa izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, satria dia mailo ny mpitandro filaminana tratra antso nitifitra ka nahafaty ilay biby avy hatrany rehefa nanampy azy ireo ihany koa ny fokonolona, araka ny fampitam-baovao iray.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.