Actualités

SAMBAVA Mpiara-miasa amin-drainy ihany no nanolana azy mirahavavy


  • Talata 30 Mey 2023

Zazavavy kely miisa roa no indray voaolana tany amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararivotra, distrikan’i Sambava andro vitsivitsy lasa izay.

Manodidina 12 sy 14 taona izy mirahavavy kely ireto ka tamin’ny faran’ny herinandro vao fantatra ny zava-nitranga. Raha araka ny fanazavan’ny sefo sektera any an-toerana Ramatoa Rachèlle dia mpiara-miasa amin’ny dadan’izy ireo ihany ilay nahavanon-doza. Voatery nosamborina tamin’ny 04 ora maraina tamin’ny Sabotsy 27 may lasa teo tao an-tokantranony ihany ilay tsy manato-tody noho izany. Nentina ihany koa ireo Ray aman-dRenin’ireo zaza roa ireo sy ilay sefo sektera Niaiky ny heloka vitany teo imason’ny rehetra moa ilay Rangahy nandritra izany ka hiakatra fampanoavana anio Talata taorian’ny fanadihadiana natao azy. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly kosa izy mirahavavy kely noho ny fahafantarana fa simba tanteraka ny fivavian’izy ireo. Tsiahivina hatrany moa fa ankoatra ireo olona tsy manam-bady na maty vady dia mety hahavita sy hanolana zaza ihany koa ireo mitsindrona roro na mifoka rongony ka tokony ho mailo hatrany isika eny anivon’ny fiaraha-monina. Toraka izany koa ireo dadabe na dadatoa na dadafara ….izay mifanerasera matetika amin’ilay zaza.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT