Actualités

Sambava Lasa fanaovana alim-pandihizana ilay EPP


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Toy ny faritra maro dia miato ihany koa ny fampianarana any amin’ireo sekolim-panjakana any amin’ny distrikan’i Sambava. Voakasik’izany ny EPP ao Ambodivohitra izay navadiky ny sasany ho lasa toerana fandraisana alim-pandihizana mba hahazoana vola.

 

 

Nanomboka ny 26 jona teo no nitrangan’izany ka hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Efa in-efatra no nisy alim-pandihizana nitranga tao amin’ity EPP iray ity ka nitroatra ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra. Raha araka ny lohanaranom-baovao voaray avy any an-toerana dia ny filohan’ny FRAM any an-toerana no anisan’ny tompon’antoka amin’izany fikarakarana alim-pandihizana izany. Vokatr’ity alim-pandihizana ity raha araka ny fantatra hatrany dia simba avokoa ny ankamaroan’ireo dabilio tokony hampiasain’ny mpianatra ao amin’ity EPP iray ity.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT