Lasa resabe ny fananterahana ny Sambatra any Mananjary amin’ity. Fomban-drazana fanaon’ny foko Atambahoaka isaky ny fito taona izy ity, hanatanterahana famoran-jazalahy faobe
. Na efa vita fora aza dia entina any Mananjary hanaovana fombafomba ka ny rain-jaza na Lahianaka no tompon’ny fandrindrana ny hetsika amin’izany. Notsiahivin’ireo mpikambana ao amin’ny AZAM (Association des Zafiraminia pour l’Avenir de Mananjary) ny sabotsy teo, fa efa lova navelan’ireo «Razambe» hatrizay ny Sambatra, ka tsy tokony hisalorana loko hafa ny fanamarihana azy satria ain-jaza no tandrovina. Re mantsy fa misy mpikarakara hetsika te hanao fitaovana hitadiavam-bola ny Sambatra. Ankoatra izay dia re hisy hetsika tsy ampoizina ho entin’ny ministeran’ny kolontsaina sy vakoka any amin’ity Sambatra ity fa any an-toerana no mahita azy ny rehetra amin’ny volana oktobra izao. Hatreto aloha dia mbola tsy tafapetraka amin’ny toerany ireo mpikambana ho Kômitin’ny Sambatra handrindra ny hetsika 2014 amin’ny ankapobeny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.