SAMBAINA MANJAKANDRIANA

Nahazo milina fanodinana tantely


  • Talata 13 Febroary 2024

Nahazo milina fanodinana tantely manara-penitra ao Sambaina Manjakandriana.

Ankoatra ny tantely voadio sy ara-pahasalamana afaka mifaninana tsara eo amin’ny tsena dia mamokatra savoka, labozia manitra, vokatra fikojakojana tarehy sy menaka fanosotra isan-karazany avy amin’ny tantely koa ity taninketsa indostrialy ity. Anisan’ny maodely amin’ireo ODOF (One District One Factory) fanodinana tantely izy satria efa nanana traikefa teo amin’ity seha-pihariana ity ny Iloo, mpandraharaha voafantina hitantana ny orinasa. Tamin’ny faran’ny herinandro teo no notokanan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) Edgard Razafindravahy ity Taninketsa Indostrialy afaka manodina tantely 100 kilao isan’ora ao Sambaina Manjakandriana ity. “Ireo mpiompy tantely, mpamokatra tantely no hisitraka ilay Tetik’asa hataontsika. Hataontsika izay hahazoan’ireo tantsaha ireo tombony”, hoy izy nanoloana ireo tompon’andraikitra samihafa sy solontenan’ny kaoperativa ary mpiompy tantely. Tsy misy antony hametrahana Tetik’asa toy ny ODOF raha sanatria ka fatiantoka no hitranga. Tsy hijanona eo amin’ny distrika intsony fa hidina hatrany amin’ny kaominina ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Ankoatr’ireo milina fanodinam-bokatry ny tantsaha 75 efa tonga ary tsinjaraina amin’ny distrika sy kaominina samihafa dia ho avy koa ny fitaovana hahafahana mametraka Taninketsa Indostrialy miisa 100 vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Governemanta Indiana.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ilay milina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT