Nandalo teto an-drenivohitra Atoa Sambahita mpitarika ny CJIM na ny “Collectif des jeunes intellectuels de Madagascar” tamin’ny faran’ny herinandro teo ka tafaresaka tamina mpanao gazety vitsivitsy
. Nambarany tamin’izany fa nanapa-kevitra ny hiato kely amin’ny fitarihana fihetsiketsehana politika aloha ny tenany ato ho ato fa aleony mba mitazana izay vitan’ny mpanao politika zokiny indray. Efa nisedra ny mafy tamin’ny fitarihana olona nihoatra ny ankamaroan’ireo nahazo toerana ao amin’ny fitondrana ireo ny tenako”, hoy izy, raha tsy hitantara afa-tsy ny nitanana ahy tany amin’ny mpitandro ny filaminana tany Toamasina. Herinandro vao nakarina taty Antananarivo raha iny voasambotra tany Toamasina tamin’ny 24 desambra tamin’ny taona 2014 iny. Naverina tany Toamasina indray notsaraina avy eo. Nilaza ho mbola naverina notsairana taty Antananarivo indray izy taorian’izay ary notazonina teny Antanimora 23 andro vao nafahana madiodio. Tsy mora ny manjo ny voasambotra ka mivonona rehefa andeha amin’izany, hoy ity mpianatra taona fahadimy ao amin’ny lalam-piofanana toekarena ao amin’ny oniversiten’i Toamasina ity, raha nitafa tamin’ireo mpianatry ny oniversiten’Antananarivo izy omaly. Niantraika tamin’ny fiainany io fitarihana tolona nataony io raha ny fitantarany satria marary ny reniny hatramin’izao ary mbola manonitra ny lanin’ny fianakaviana tamin’io reniny io izy. Ankehitriny dia naleony mamboly sy miompy, hamelomana vady aman-janaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.