Hifarana anio zoma 20 jona rehefa naharitra roa andro ilay «Salon Malagasy de la Solidarité Internationale» karakarain'ny sekoly ambony IEP (Instituit d'Etude Politique) etsy amin'ny Lapan'ny tanŕna Analakely.
Tranoheva am-polony no mandray anjara amin'izany hampirantiana sy hampahafantarana ireo fikambanana, fiarahamonim-pirenena, vovonana ary ONG maro samihafa miasa eto amintsika. Raha araka ny fanazavan-dRajaon David, tompon'andraikitra voalohany ao amin'ity sekoly ambony ity mantsy dia ilain’ny rehetra ny mahafantatra hatrany ny asa sahanin'ireny fikambanana maro samihafa ireny. Anisan'izany hoe : ampy sy mety ve izy ireny ? Inona no antony hampandraisana andraikitra azy ? Ahoana ny mikasika ireo mpilatsaka an-tsitrapo ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.