Mpisehatra matihanina maherin’ny
250 haneho ny fahaiza-manaony
Eny amin’ny CCI Ivato indray no ho ambohipihaon’ireo liana amin’ny tontolon’ny trano sy toeram-ponenana ny 22-23-24-25 oktobra 2026 izao ho an’ny « Salon International de l’Habitat » andiany faha-27, amin’ny lohahevitra « Madagasikara en mouvement : imaginer et construire les espaces de demain ». Hetsika goavana hanangona ireo mpisehatra rehetra amin’ny sehatry ny trano fonenana sy ny fanorenana : mpanao trano matihanina, mpanao mari-trano, mpampiasa vola, mpanamboatra fitaovana, manampahaizana momba ny angovo, ireo banky, trano fiantohana,... Hampiseho ny fahaiza-manaony amin’ny fanorenana sy fanavaozana amin’ny fenitra iraisam-pirenena ireo orinasa sy mpisehatra samihafa izay misy ny avy any ivelany toa an’i Dubaï. Efa mahatratra 250 mahery ny nanoratra anarana amin’izao fotoana izao, raha toa ka 25000 any ho any koa ny mpitsidika vinavinain’ny mpikarakara fa ho avy mandritra izany, raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Mada Vision Koloina Andriantsitohaina. « Tsy ampy intsony ny manorina, fa manorina tsara : fitaovana tsara, famaranana manara-penitra, famolavolana ara-mari-trano, ary fahazoana aina ho an’ny mpampiasa », hoy ny mpikarakara. Ny trano fonenana amin’izao fotoana dia tsy toerana hipetrahana fotsiny intsony, fa sehatra iray manontolo mampifandray ny fiainana, ny asa, ny fialam-boly ary ny varotra, izay manamafy ny fametrahana ho zava-dehibe ny fenitra sy kalitao amin’ny fanorenana. Ny tsy fahampiana amin’ny resaka trano fonenana, dia mahatratra 125 000 hatramin’ny 130 000 isan-taona i Madagasikara, ka manohana ny hetsika ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany, raha ny nambaran’ny Sekretera Jeneraliny Sambany Ruffin. Tahaka izany ihany koa ny Minisiteran’ny indostria, ny orinasa Filatex izay mafy ihany koa amin’ny tontolon’ny fanorenana,… Araka ny vinan’ny Banky Iraisam-pirenena, mihoatra ny antsasaky ny mponina malagasy no hiaina an-tanàn-dehibe amin’ny taona 2036. Fanamby lehibe izany ho an’ny famolavolana tanàna sy ny fanorenana maharitra. Amin’ny fampiasam-bola, ny tahan’ny ratio crédit/PIB dia 15,2 % tamin’ny 2024, raha 7,6 % ny salan’isa tany Afrika Atsimo tamin’ny 2023 (Banky Iraisam-pirenena, Madagascar Economic Update, febroary 2025). Midika izany, hoy ny fanazavana teknika, fa mitombo ny fahafahan’ny banky sy ny orinasa ara-bola manohana ny tetikasa fanorenana sy ny fanavaozana. Na izany aza, mbola lavitry ny kitay ny afo amin’ny fahafahan’ny Malagasy misitraka toeram-ponenana ara-kalitao. Hanamarika ity andiany ity ihany koa ny « Speed Recruiting », hahafahana mandray mpiasa, fampisehoana, fifaninanana sy fanomezana loka, raha ny fizaram-baovaon’ny mpikarakara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.