SALON INTERNATIONAL DE L'HABITAT

Hisy mpandray anjara avy any ivelany ho avy


  • Alakamisy 31 Jolay 2025

Nanomboka omaly Alarobia 30 Jolay ny fisoratana anarana ho an'ireo maniry

handray anjara amin'ny Salon International de l'habitat karakarain'ny Madavision. Raha tsiahivina dia ny 23 ka hatramin'ny 26 Oktobra ho avy izao no hanatanterahana ny hetsika eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriambe iraisam-pirenena eny Ivato. Tanjon'ny mpikarakara raha araka ny fanazavan-dRandrianasolo Hery, tompon'andraikitra ara-barotra eny anivon'ny Madavision ny hanalana fahasahiranana ny mpanjifa amin'ny alalan'ny famondronana amina toerana iray ireo misehatra amin'ny tontolon'ny asa fanamboaran-trano. Hahatratra hatrany amin'ny 400 isa ireo trano eva handray anjara amin'izany raha miisa 20.000 kosa ireo mpitsidika andrasana. Hampiavaka ny hetsika ny fisian'ireo tera-tany vahiny ho avy handray anjara. Ankoatra ny fitadiavana lalam-barotra eto Madagasikara mantsy dia maro amin'izy ireny ihany koa no maniry hifanakalo traikefa amin'ireo mpandraharaha mitovy aminy eto an-toerana. Marihina fa hotanterahina miaraka amin'ity Salon momba ny tontolon'ny asa fanamboarana sy fikarakarana ny trano ity ihany koa ny destockage pro izay ahitana fihenam-bidy hatrany amin'ny 50%.
Pati
Légende : Hery Randrianasolo, tompon'andraikitra ara-barotra eo anivon'ny Madavision !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT