Nifarana omaly zoma 8 septambra ny andiany faha-14 tamin’ny “Salon des Etudes Sup’” notanterahin’ny Madajeune teny amin’ny lapan’ny
kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina rehefa naharitra roa andro, ny 7 sy 8 septambra. Samy nilaza ho afa-po tamin’ity hetsika ity na ny mpikarakara na ny mpandray anjara, indrindra fa ireo tanora maro nitsidika teny an-toerana. Sekoly ambony manodidina ny 70 no nampahafantatra ny tolotra omeny ireo mpianatra vao nahazo diplaoma bakalôrea, ka tsy vitsy ireo tanora no nahita izay notadiaviny sy nandray fanapahan-kevitra avy hatrany tamin’ny fisafidianana ny sekoly sy lalam-piofanana heveriny fa mahasoa azy. Tao ihany koa no nisafidy ny mbola hieritreritra, saingy nilaza sy nahatsapa kosa fa zava-dehibe sy nanampy betsaka azy iny hetsika nokarakarain’ny Madajeune iny. Azo nojifaina teny an-toerana rahateo ny boky torolalana hahafahana mandinika tsara. Ny sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana no tena maro nandray anjara tamin’ny hetsika, ary afaka mamaly ny filan’ny tanora tsara izy ireo amin’ny ankapobeny. Zara rahateo raha misy ampahatelony amin’ireo afaka bakalorea ihany no horaisin’ny oniversitem-panjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.