“SALON DES CREATRICES NENY MANJA”

Nampivondrona ireo vehivavy mpandraharaha


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Tontosa soa aman-tsara tetsy amin’ny Ibis Hotel Ankorondrano omaly ny “Salon des creatrices Neny Manja”,

nokarakarain’ny Jejoo le quotidien des Femmes sy ireo mpiara-miasa aminy. Hetsika nanomezana sehatra ny asa famoronana sy ny vehivavy mpandraharaha, izay manana ny lanjany sy ny toerany amin’ny lafiny maro, raha tsy hilaza afa-tsy ny ara-toekarena. Vehivavy mpandraharaha miisa 40 avy eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra no nomena sehatra maimaimpoana nandritra ity “salon des creatrices Neny Manja”, andiany voalohany ity. Fotoana io nampirantiana sy nivarotan’ireo vehivavy mpandraharaha ireo vokatra sy asa tanana samihafa. Nifanandrify amin’ny vanim-potoana hanamarihana ny fetin’ny reny, ka nahafahan’ny mpitsidika nanjifa fanomezana azo atolotra ho an’ny Neny. “Mahavita zavatra ny vehivavy Malagasy saingy misy amin’izy ireo no tsy mahazo sehatra tsara indrindra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana” hoy I Ando Randrianarimanana, tompon’andraikitra avy amin’ny Jejoo. Vinan’ny Jejoo rahateo raha ny fanamarihana ny hanohana ny vehivavy hiasa sy handrahara ka mba hahaleotena amin’ny zavatra ataony. Kendrena ao anatin’izao, hoy hatrany ny mpikarakara ny hanosika ireo vehivavy hanana fahasahiana sy fahatokisan-tena ary ho sahy hiseho amin’ny zavatra rehetra izay ataony avy. Ankoatra ny fampiratiana, dia fotoana ihany koa ny omaly nifampirazan’ny samy mpandraharaha satria nisy tamin’izy ireo no vao manomboka ary misy ireo efa manana ny toerany.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT