Hotanterahina manomboka ny zoma 22 septambra ho avy izao, haharitra telo andro, etsy amin’ny AFT Andavamamba ilay « Salon de la gastronomie » andiany fahefatra natao hanomezan-danja ny vokatra vita Malagasy.
Miisa 50 ireo mpandray anjara raha 30 tamin’ny taon-dasa. Anisan’ny maro an’isa indrindra ireo tantsaha mampokatra. Eo ihany koa ireo karazana orinasa mpitrandraka hazan-dranomasina sy mpanao sakafo mifandraika amin’izay toy ny poissonnerie Manda. Tsy latsa-danja ireo karazan-tsakafo vita amin’ny voankazo sy legioma, ny ronono, arahin’ny varotra fampirantiana ireo karazana kojakojan-dakozia ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Hisy ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra hotanterahin’ireo mpahandro sakafo efa matihanina eto amintsika. Ankoatra ireo karazan-tsakafo efa mahazatra dia hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo karazan-tsakafo avy any ivelany arahin’ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny roa tonta. Hisy ihany koa ny fampianarana nahandro maimaimpoana ho an’ireo izay liana, indrindra fa ny renim-pianakaviana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.