Niafara tamin’ny fisamborana ny fifampihantsiana teo amin’ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana nandritra ny telo andro teny Ankatso. Tovolahy iray no voasambotra omaly.
Raha noelanelanin’ny tamboho mamefy ny faritry ny oniversite izany ny alatsinainy sy talata dia niditra ny tokotanin’ny oniversite ny Emmo-Reg omaly ary nisambotra mpanao fihetsiketsehana. Raikitra ny fifanenjehana. Tovolahy iray no voasambotra tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tolakandro. Sady voadaroka no naratra ilehio. “Taratasy avy amin’ny fampanoavana no nidiran’izy ireo ny faritry ny oniversite ka nisian’ny fisamborana”, hoy ny filohan’ny onivesiten’Antananarivo, Pr Ramanoelina Panja Armand, raha nanontaniana. Tetsy an-kilany dia nihorohoro fatratra ireo mponina manodidina ary nidiram-patiantoka ireo manao asa fandraharahana teny amin’ny manodidina ny toerana nisian’ny fihetsiketsehana toy ny mpitatitra Taksibe sy ny mpivarotra noho ny tora-bato sy doro trano nataon’ny mpanao fihetsiketsehana ka tsy nampisy fitoniana teny an-toerana. Milaza ny hanohy ny fihetsiketsehana hatrany anefa ireo mpianatra mandra-pisy vahaolana amin’ny fitakian’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.