Sakoroka tao Manakara

Nopotehin’ny «cyclo-pousse » ny lapan’ny tanàna


  • Alakamisy 07 Martsa 2024

Raikitra ny sakoroka tao Manakara Renivohitra omaly alarobia 06 martsa 2024.

Nopotehin'ny mpitondra Cyclo-pousse ny Lapan’ny tanàna. Io toerana io izay fotodrafitrasa miavaka, toy ny vakoka ao Manakara. Antony ny fanehoan'izy ireo ny fanoherana ny lamina napiharin'ny Polisy Monisipaly. Nidina an-dalambe ireo, ary nitokona, nanakan-dalana nanoloana ny Lapan’ny tanàna izy ireo omaly atoandro, ary nitohy tamin’ny famotehana fananam-bahoaka. Tapitra vaky ny ankamaoroan’ny fitaratra, tafiditra tany anatiny vato maro hany, ka potika hatramin’ny fitaovana samihafa tany anaty birao. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nanaparitaka ireo mpirotaka, tamin’ny baomba mandatsan-dranomaso. Tena tsy azo nalamina sy tsy vita tamin’ny fifampiresahana ve fa tsy maintsy tonga amin’ny famotehan-javatra tahaka izao ? Moa tsy efa endrika fipoahana ara-tsosialy noho ny sehatra sy zavatra maro tsy voafehin’ny manam-pahefana ihany koa ve itony ka mirefotra rehefa tena feno ny kapoaka ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT