Actualités

Sakoroka tao Antsapanimahazo Natao hazalambo ireo “mpikomy” : 20 no tratra, anisan’izany ny Ben’ny tanŕna !


  • Talata 08 Jolay 2014

Natao hazalambo ireo vahoaka tondroina ho mpikomy, taorian’ny sakoroka niseho tao Antsapanimahazo, Kaominina Antsoatany, Distrikan’Antsirabe faharoa ny alahady 06 jolay 2014 lasa teo. 20 mahery no efa voasambotra, ka anisan’izany ny Ben’ny tanŕna.

Resaka halatra omby, itony antsoina hoe “Rainizavona” itony no niandohan’ny gidragidra. Nisy omby very mantsy tao amin’ny Fokontany Mandritsara, ao amin’ny Kaominina Antsoatany ihany. Rehefa nanara-dia ny Fokonolona dia tao Antsapanimahazo no nifarana ny dian’omby. Ny alahady tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany maraina, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny tompon’omby dia fantatra fa nisy lehilahy iray mpivaro-toaka ao an-toerana nivarotra hena vaovao 4 kilao tamin’ny mpivaro-toaka namany iray. Rehefa nandre ity mpivarotra ity fa hitady omby very ireo vahiny dia nolazainy fa nisy nivarotra nofon-kena taminy ka mbola misy raha toa ka ampiana izany. Natao ny vela-pandrika, ary nasaina nitondra hena fanampiny indray ilay ranamana ka dia norasim-potsiny satria mbola vaovao ny hena ary tsy misy mpivaro-kena eo an-toerana. Notazonin’ireo mpanara-dia avy hatrany izy ka nantsoina ny Ben’ny tanàna ary ity farany no niantso ny zandary.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT