Actualités

Sakoroka tao amin’ny “bar” Matin’ireo mpirevy ilay zandary nandamina


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Zandary iray manana galona “Adjudant chef” miasa ao amin'ny Vondron-tobim-pileovana Vakinankaratra no namoy ny ainy vokatry ny ratra sy vono nahazo azy ny alin'ny talata 13 oktobra 2020.

 

 

 

Mifanila trano amin'ny rahalahiny izay manao bar/karaoke ao Mahazoarivo izy. Tokony ho tamin'ny 10 ora alina dia nisy tovolahy maromaro, mamo ary nanakorontana tao amin'ny “bar” an'ity rahalahiny ity. Nifampitarika taty ivelan'ny “bar” ireto andiana tovolahy niady ary tonga hatreo am-baravaran'ity zandary. Noho ny fiarovana ny ain'ity rahalahiny sy amin'ny maha mpitandro filaminana azy dia voatery niditra an-tsehatra nandrava ny ady izy, kinanjo izy indray no nanamparan'ireo zatovo novonoina. Vely tavoahangy sy daroka no nahazo azy ka nahavaky ny handriny sy ny fihirifany. Nantsoina ny polisy manao fisafoana amin'ny alina ka mbola tao anatin'ny ady no nisamborana ireo zatovo. Nentina haingana teny amin'ny hopitaly ilay zandary saingy tsy tana ny ainy noho ny maraina ny andro. Namela mpitondra tena sy kamboty mianadahy Ratompokolahy. Enina no efa voasambotra hatreto ary heverina ho mbola nisy namany hafa nahavanona ny loza. Eo am-panaovana fanadihadiana ny zandary Andranomadio izay miara-misalahy amin'ny rantsamangaikan'ny Sampam-pikarohana ny heloka bevava (GAPJ) eto Vakinankaratra. Ny Zandarimaria dia tsy handefitra amin'ny fandatsahana aina ny olony indrindra fa eo am-panaovana ny adidiny satria na tsy manao fanamiana aza izy ireo dia zandary hatrany, hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT