Actualités

SAKARAHA Olona moana nisy nanolana


  • Alarobia 09 Aogositra 2023

Rehefa moana tokoa dia tsy afaka miteny. Anisan’ny antony hanararaotan’ireo tsy mataho-tody ireny olona tsy afaka

miteny ara-dalana ireny izany toy ny nitranga tany amin’ny distrikan’i Sakaraha. Tovovavy moana iray no fantatra fa nisy nanolana tany an-toerana tamin’ny volana Jona teo. Ankoatra izay dia ankizivavy kely iray avy any an-toerana ihany koa bevohoka noho ny fanolanana nihatra taminy. Ny mampalahelo anefa dia samy mbola tsy voasazy avokoa ireo nahavanon-doza. Etsy an-daniny anefa dia mbola mandrahona ny fianakaviana akaikin’ireo ankizy ireo hatrany ireo olon-dratsy hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.Vao tamin’ny 23 jona teo ihany koa no nisy zazavavy kely iray 8 taona naolana Rangahy 70 taona tao amin’ny kaominina Mitsinjo, Toliara. Simba tanteraka io zaza io saingy mbola afa-maina ihany koa ilay Rangahy. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky izao tranga mampalahelo mahazo ny ankizivavy kely any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy izao. Manan-jo feno ho arovana mantsy izy ireny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT