SAKANA TEO VINANINKARENA

Baobab nains 882 fototra sarona nentin’ny taksibrosy


  • Alakamisy 06 Febroary 2025

Jabihy na baobab nains 15 gony ahitana 882 fototra no saron'ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Antsirabe

teo amin’ny sakana Vinaninkarena ny Talata 04 Febroary.Ny angom-baovao azo ny alatsinainy 03 Febroary talohan’io no nahalalana fa misy fiara avy any atsimo handalo mitondra entana voararan'ny lalàna.Nandrasana ilay fiara dia nosakanana ary nosavaina. Hita tao ambony, misarona labasy nandritra izany no sady tao anaty gony ireo karazana zava-boahary tafiditra anatin'ny vokatra arovana ireo. Anisan’izany ny operculincarya pachypus miisa 207, ny Pachypodium gracylus miisa 486 ary ny Senna meridionalis 189 isa. Tsy misy taratasy milazalaza azy, izy ireo fa "commission" nampitondrain'olona hoy ny vaovao azo.Noraisina ny momba ny fiara sy ny koperativa misy azy ary ny tompon'ny fiara ka efa miroso amin'ny famotorana sy fandraisana fepetra ny tompon'andraikitra. Nogiazana kosa ny entana voarara. Tsiahivina moa fa fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena ho an'ireo sokajin-javamaniry sy biby miaina amin'ny endriny nahariana azy izay ahiana ho lany tamingana ireto karazana baobab ireto. Lisitr'ireo karazany rehetra hita ao anaty tovana I ao amin'ny CITES izy ireo. Ity tovana ity dia mirakitra ireo karazana voahary ahiana ho lany tamingana ka ny famarotana azy dia arahina didy fanaraha-maso henjana sy maty paika ka tsy azo omena alalana raha tsy misy antony manokana.Voararan'ny lalàna faha 2005-018 ny 08 Oktobra 2005 mikasika ny CITES, ka hita ao anatin'io lalàna io ny tovana I, II, III, IV ary V mitanisa ireo karazana zava-boahary amin'ny endriny nahariana azy sy fandrindràna manokana momba ny fananana azy, ny fanondranana azy, ny fanafarana azy , ny fampidirana azy avy any an-dranomasina an'ireo karazana voahary ireo.
Pati
Legende : Ireto ireo zanaka baobab tratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT