Nikisaka any Sakaraha indray ireo olon-dratsy mpanakan-dalana amin’iny faritra atsimo iny raha somary mangingina indray ny eo anelanelan’Antsirabe sy Antananarivo, ny mihazo an’i Betroka miala eo Ihosy........
Fanafihana 3 no niseho tamin’iny herinandro nivalona iny tamin’ny faritra manodidina an’i Sakaraha. Fiara iray nandeha nankany Ankazoabo avy eo Sakaraha no nokasain’ireo olon-dratsy horobaina saingy tazan’ny mpamily lavitra ny fisian’izy ireo ka niverin-dalana izy ary nifanojo tamin’ny zandary. Ireto farany no namaky lalana ka nifampitifitra tamin’ireo malaso izay vaky nandositra. Tsy nisy ny naratra. Nisy koa ny barazy nataon’ireo dahalo teo Mahabobo amin’ny lalana mihazo an’i Toliara fa nalaky nitsoaka niverina ilay fiara 4 x 4. Niantso zandary ry zareo izay nisava lalana ka tafavoaka soa aman-tsara. Kamiao simba kosa no taraiky tao Ankilivalokely ka notafihan’ny malaso. Lasany avokoa ny vatsy. Tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy. Mila mitandrina kosa izay mampiasa ny lalana mianatsimo mba tsy handeha irery ka ho tratran’ny vela-pandrik’ireo mpanakan-dalana .
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.