SAKAFON-KISOA NITERA-DOZA May avokoa ny

tananan’Ampasimompera ao Morondava


  • Zoma 23 Aogositra 2024

Mahazo vahana tanteraka ny haintrano eto amintsika. Tokantrano mihoatra ny 10 indray omaly Alakamisy 22 Aogositra

 tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro no ravan’ny afo tao amin’ny tananan’Ampasimompera, distrikan’i Morondava. Raha araka ny fantatra dia vokatry ny fandrahoana sakafon-kisoa nataona tokantrano iray no nahatonga ny loza. Naharitra ora telo mahery vao voafehy ny afo raha araka ny vaovao azo. Tonga ara-potoana ihany mantsy ny mpamonjy voina saingy noho ny tsy fisian’ny lalana sahaza nidiran’ny fiara sy ny fahakelezan’ny fitehirizan-drano dia niteraka olana goavana izany vao voavaha. Olona manodidina ny 90 isa eo ho eo no traboina amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny tanana iray manontolo teto no saika lasibatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT