Actualités

Sainte Marie Naolan’ny Raikeliny in-telo ilay zazavavy


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Naiditra am-ponja vonjimaika, ao Sainte Marie, afak’omaly, ny lehilahy iray, 56 taona, nanolana ny zana-badiny izay vao 11 taona monja.

 

 

 

Ny sabotsy lasa teo, no naharay fitarainana mikasika ny herisetra ara-nofo mianjady amin’io zaza tsy manan-tsiny io ny polisim-pirenena ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Fantatra tamin’izany fa tamin’ny Alatsinainy 03 aogositra teo no nanaovan’ilay Rangahy ny asa ratsiny. In-telo naolany ilay zaza rehefa lasa tany an-tsaha nitady sakafo ny Reniny. Notambazany vola avy eo ary norahonany tsy hilaza na amin'iza na amin'iza ny habibiana vitany. Gaga anefa ilay renim-pianakaviana tafaverina avy an-tsaha nahita vola teny an-tanan-janany. Tsy naharitra ity farany fa nanontany ka nitantara ny zava-nitranga ilay zaza rehefa nanontaniana. Nosamborina ilay nahavanon-doza ary natao famotorana ka niaiky ny habibiany sy ny heloka vitany. Afak’omaly ihany dia naiditra am-ponja izy.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT