Saika tsy nahita tory fa efa tena mafy

dia mafy ny vidim-piainana ka lasa fisainana hatrami’ny alina ny tena.


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Rehefa tonga nefa ny misasakalina iny, dia rendrika soa ihany.

Nahita ny fanavaozana lehibe natao ho an’ny anjerimanontolo eto Madagasikara. Nomena vahana tanteraka ireo manam-pahaizana sy mpikaroka Malagasy hampandroso ny tontolo ambanivohitra ary hanao fikarohana manokana ho an’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono eto Madagasikara. Faly avokoa ireo mpianatra satria tonga dia ho afaka ny handraharaha sy hiasa vao vatany vita ny fianarany. Efa ampy ihany koa ny filàna eto an-toerana ka namorain’ny fanjakana ny sehatry ny fanondranana ireo vokatra makany amin’ireo nosy sy firenena manodidina antsika, hany ka nidina ny sandan’ny vola vahiny ka nidina nanaraka izany ihany koa ny vidim-piainana. Nisy ihany koa ireo mpikaroka manokana momban’ny tahirin’ireo tara ao tsimororo ahafahana mamboatra ireo lalana amin’ny sandany mora eto amintsika, ka tsy hanafatra intsony isika fa mamokatra eto an-toerana mba hamoronana asa ho an’ireo tanora. Indrisy, taitra tampoka aho, nijery ireo vaovao mahazo ireo mpianatra eny amin’ny oniversite, mahatsiaro ireo ora fampianarana maro tsy voalohan’ny fanjakana ho an’ireo mpampianatra. Dia fantatro fa hay nofinofy ihany no nataoko fa tena mbola ny mifanohitra no miseho. Tsy misy mandraharaha izay mpikaroka sy manam-pahaizana Malagasy izany eto fa raha vao misy olana kely dia iantsona vahiny lava izao. Ahoana tokoa moa no ahaizan’ny vahiny hampivelatra ny sehatra ny fiompiana omby gasy sy ny fambolena vary gasy ohatra? Tsy misy zava-pantany izany.
Tia Tanindrazana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT