Saika hanolana renim-pianakaviana mamomamo

Tovolahy 24 taona nosamborin’ny fokonolona


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Voasambotry ny fokonolona ihany na niezaka mafy nandositra aza ny tovolahy iray 24 taona

saika hanolana vehivavy tany Mahazoarivo, distrikan'i Vondrozo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny zoma lasa teo no niseho izany. Namonjy fety ilay renim-pianakaviana, 35 taona. Lasa nody hatory izy rehefa nahazohazo alikaola, sahabo tamin'ny 2 ora tolakandro, kay nanaraka moramora azy ilay zalahy. Nony tao an-trano, taitra tampoka izy rehefa nitsambikina sy nitaingina teo amboniny ilay tovolahy. Norahonan'ity farany ho vonoina izy, sady nokendainy, raha miantso vonjy. Aleo kosa aloha, hoy ilay ramatoa, mba hakatoko ny varavarana. Efa nanantena ny anao lahy kanjo nanararaotra nitsoaka ilay ramatoa, niantso fokonolona. May ny endim-boanjon'ilay mpanolana. Saika tsy nahita lalan-kivoahana. Nandositra tany anaty reniranon'i Manampatrana, nanao tsikarok'alika. Tsy namelan'ny fokonolona raha tsy tratra. Ny alahady no naterin'ny miaramila tany amin'ny biraon'ny zandary, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT