Tratran’ny sampan-draharahan’ny fadin-tseranana tetsy amin’ny seranam-
piaramanidina Ivato ny sabotsy 21 novambra lasa teo ny volamena milanja 15kg saika haondrana an-tsokosoko. Milanja 15,245kg izy io, ary saika halefa any Dubaï tamin’ny alalana sidina manokana fanondranana entana. Nitsinjara ho 257 isa izany, ary nasisika tamina fitoerany vy sy ireny karazana asa tànana vita amin’ny karazana vy sy “aluminium” miendrika baobab ireny. Voalaza fa tsy afaka nampandalovina tamin’ny Scanner izany noho ny habeany, saingy nampiteraka ahiahy kosa ny lanjany izany tsy nifanaraka tamin’ny habeny. Hita fa efa paikady avo lenta no nampiasan’iroe mpanao trafika tamin’ity ndray mitoraka ity, ary tahaka ireny anaty sarimihetsika ireny mihitsy. Nosamborina avy hatrany ny olona nitondra sy nikasa hanao ny trafika. Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana Atoa Ernest Zafivanona Laikana fa hamafisina ny fisavana entana eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy be mankany amin'ireo firenana hafa fanondranana entana matetika, toa an’i Dubaï. Na izany aza, tsy olon-tsotra no afaka manao trafikana volamena, fa olona manan-katao, olona manana fahefana, olona mety hanana sata tsy azo savaina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.