SAHIRANA NY MALAGASY

Rakotry ny mpivarotra ny sisin-dalana rehetra


  • Alatsinainy 29 Jolay 2024

Lasa feno mpivarotra ireo sisin-dalana eto amintsika.

Ankoatra ny eto an-drenivohitra izay lasa efa mahazatra dia mihitatra hatrany any amin’ny sisiny izany toy ny hita eny Andranonahoatra Itaosy, Fenoarivo….samy ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Feno mpivarotra anana, mofo sy ronono soja, taxi-phone ny sisin-dalana hany ka tsy misy handehanan’ny mpandeha an-tongotra intsony. Voatery milatsaka any anaty arabe ireto farany noho izany ka ahiana ho voadonan’ny fiara. Ho an’Andranonahoatra Itaosy manokana dia efa namoahan’ny kaominina filazana izy ireo fa tsy azo hivarotana ny sisin-dalana rehetra fa mahavoasazy. Na izany aza anefa dia iray monja no nijanona ireo mpivarotra dia niverina daholo indray. Amin’ny ankapobeny dia ireo Renim-pianakaviana sy Raim-pianakaviana tsy an’asa nefa mamelon-janaka ny ankamaroan’izy ireny. Toraka izany koa ireo Reny mananontena. Hetahetan’izy ireny noho izany ny tokony hanampian’ny Fitondram-panjakana azy. Izay mba orinasa niasan’izy ireo mantsy raha tsy nikatona dia manena ny isan’ny olona miasa ao aminy noho ny hafitsoky ny Fitondrana ankehitriny amin’ny tery vay manta momba ny hetra. Rehefa tsy afaka mivarotra anefa izy ireny dia mety hangalatra…, antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Tsiahivina hatrany moa fa mariky ny fahantran’ny firenena iray ny hamaroan’ireo mpivarotra ao aminy toy izao efa hiainantsika eto Madagasikara izao.
Pati
Legende : Feno akoho hamidy tahaka izao ny lalan’ny mpandeha an-tongotra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT