Actualités

Rugby – Super Coupe Hanala vela amin’ny Dakar ry Ngahindriana


  • Alarobia 22 Jolay 2015

Raha tokony natao ny alahady 19 jolay teo dia nahemotra ny alahady 26 jolay izao ny “Super Coupe” eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Hifandona amin’io ny FTM Manjakaray,

 


tompondakan’Analaman­ga (Top-14) izay nandrombaka ihany koa ny amboaran’ny filoha sy ny 3FB izay tompondakan’i Madagasikara (Top-8). Antony nanemorana io lalao goavana io moa ny fangahatan’ireo mpilalao mbola reraka avy niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika sokajy B tany Oganda, herinandro mahery izay ka isan’ny maro amin’ireo ny mpilalaon’ny 3FB. Hanala vela amin’io ry Ngahindriana izay lavon’ny Dakar tamin’ny famaranan’ny Top 14 Analamanga. Mbola hisy lalao hifanandrinan’ny Cosfa sy TFA izay tompon-daka lefitry ny Top-8 sy lah-2 tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny filoha, alohan’io adin’ny ekipan’ny fahasalamana sy Manjakaray io. Ny maraina koa dia efa hisy ny hetsika sy fifaninanana ho an’ny sokajy vehivavy izay fanentanana mikasika ny Lalao olimpikan’i Rio, ilay antsoina hoe « Get Into Rugby ». Io hetsika io koa no hanakatona ny taom-pilalaovana 2014 ho an’ny federasiona malagasy izay taraiky sy tafiditra aty amin’ny enim-bolana faharoan’ny taona 2015.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT