Actualités

Ruffin Rakotomaharo Hanova tanteraka ny haino aman-jerim-panjakana


  • Sabotsy 26 Jolay 2014

Nanamarika ny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly zoma ny fanendrena an’Atoa Ruffin Rakotomaharo ho tale jeneralin’ny ORTM (Office de la Radio et de la Télévision publiques de Madagascar)

Izy izany no nasolo an’Atoa Johary Ravoajanahary izay nisahana io toerana io nandritra ny fitondrana tetezamita. Fanovana goavana faharoa eo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana io taorian’ny fanoloana ny tale jeneralin’ny TVM. Mpanao gazety fanta-daza eto Madagasikara i Ruffin Rakotomaharo. Mpanao gazetin’ny Radio Madagasikara, efa filohan’ny holafitry ny mpanao gazety izy. Raha ny resaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana taminy halina dia nambarany fa fomba fiasa vaovao, vina vaovao ary fomba fifandraisana sy fifampiseraserana vaovao mihitsy no heveriny hoentina eo anivon’ny ORTM izay misahana mivantana ny RNM sy ny TVM. Tsy maintsy hohatsaraina, hoy izy ny fomba fiasa eo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana, toy izany koa ny kalitaon’ny vaovao avoaka. Tsy mainsy averina ny feon-gazety ao amin’nyTVM satria manan-jo hahafantatra ny vaovao rehetra ny vahoaka Malagasy. Nohamafisin’i Ruffin Rakotomaharo fa tena vanim-potoan’ny fanovana tokoa izao ka tanjona ny haha matihanina kokoa ny haino aman-jerim-panjakana. Mazava tsara, hoy izy fa tsy maintsy hivoy ny fandaharan’asa ankapoben’ny fanjakana ny RNM sy ny TVM saingy tsy midika izany fa natao fotsiny hitatitra isan’andro ny vaovaon’ny mpitondra fanjakana izy ireo. Tsy hisolelaka na hanao propagandin’ny mpitondra intsony ny RNM sy ny TVM, araka ny hevitro, hoy izy fa tena hiasa tokoa hampahafantatra ny zava-misy amin’ny vahoaka Malagasy. Tsy mainsty mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny demokrasia sy ny fampandrosoana ny haino aman-jerim-panjakana. Manana ny ambarany momba ny zavatra atao rehetra ihany moa ny mpitondra fanjakana, indrindra fa ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra ary ny minisitry ny filazam-baovao, koa dia ho hita eo izay hitranga indray eny amin’ny haino amanjerim-panjakana manomboka eto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT