Actualités

Rtoa Vololona «Mody aloha foana ny vadiko hatramin’ny nikatonan’ny Bar tamin’ny 09ora alina»


  • Alakamisy 05 Jona 2014

Betsaka ireo tokantrano mahatsapa fa nahazo tombontsoa teto Antananarivo renivohitra hatramin’ny nandraisan’ny Kaominina fanapahan-kevitra mikasika ny tsy maintsy hanakatonana ireo toeram-pisotroana na «Bar» rehetra amin’ny 09 ora alina.

Anisan’ny tena voakasik’izany manokana ireo tokantrano sahirana nefa manana raim-pianakaviana mpimamo lava. Anisan’ireny i Vololona. Raha araka ny fitantarany dia anisan’ny Renim-pianakaviana tena nijaly izy teo aloha teo. Sady tsy mitondra vola mody mantsy ny vadiny no mamo tampona matetika ihany koa. Vokany, tsy maintsy mitady ny hanin-kohanina isan’andro i Vololona miaraka amin’ilay zanany vao fito volana monja eny am-babeny. Ankoatra izay anefa dia zaza dimy be izao no mbola velominy ary mianatra avokoa. Manofa trano koa izy ireo. Ankehitriny mba mitondra vola kely mody ny vadiny na dia 5.000 Ar isan’andro ihany aza. Tsy mamo isan’andro toy ny teo aloha intsony ihany koa. Mitondra fiara karetsaka mantsy no asan’ny lehilahy. Somary lavidavitra anefa ny fanaterana ny fiara rehefa hariva ka tsy mahatratra “bar” mivoha intsony izy rehefa mody.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT