RTOA ASSANATI FAMO GIDRAKA

Aza manaiky zarazarain’ny politika isika


  • Zoma 04 Oktobra 2024

Tsy mitondra fampandrosoana ny tanindrazana iombonana ny fifandirana sy ny disadisa ateraky

ny politika sy ny fifidianana hoy Rtoa Assanati Famo Gidraka raha naneho ny heviny mikasika ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny izy. Samy Malagasy isika ary manana soa toavina lehibe mampiavaka antsika manerana ireo Firenena rehetra eto ambonin’ ny tany dia ny « Fihavanana ». “ Hamafiso ny fihavanana Malagasy mba tsy hisian’ ny fizarazarana” hoy izy. Notsiahiviny moa fa mitady hirona mankany fifandiranana sy fifandonana indray ny Firenena amin’izao ankatoky ny fifidianana Ben’ny tanana izao. Aoka tsy ny resa-politika no hiteraka korontana sy ny fifankahalana eo amin’ ny samy Malagasy. Ho an’ny tanànan’ i Mahajanga manokana dia manao antso avo amin’ireo vahoaka any an-toerana Rtoa Assanati Famo Gidraka mba hanandratra avo ny fihavanana. Natao hikatsahana fampandrosoana ny hevitra tsy mitovy hoy izy fa tsy natao hiadiavana.
Pati
Legende : Rtoa Assanati Famo Gidraka mitandro hatrany ny fihavanana Malagasy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT