Actualités

Rovan’i Manjakamiadana Mety hanampy amin’ny famitana azy ny Japoney


  • Talata 10 Jona 2014

Efa misokatra azon’ny daholobe tsidihana ny Rovan’i Manjakamiadana na dia tsy mbola vita tanteraka aza ny fanarenana azy, izay natomboky ny fitondrana Ravalomanana taorian’ny fahamaizany tamin’ny 06 novambra 1995.

 Nisy fanentanana ny Malagasy hanao fitia tsy mba hetra hitondra ny anjara birikiny amin’ny asa fanarenana ka raha ny vinavina dia tokony ho tamin’ny 2012 no vita ny asa saingy noho ireny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny 2009 ireny dia nihantona teo koa ny asa fanorenana. Mihevitra ny hanampy amin’ny famitana ity vako-pirenena ity ry zareo Japoney araka ny nambaran’ny masoivohony miasa sy monina eto amintsika Ryuhei Hosoya. Lelavola mitentina 6 hetsy dolara no mety homen-dry zareo amin’izany. Nilaza kosa ny minisiteran’ny asa tanana izay misahana ny vakoka fa hisy koa ny fanohanan-dry zareo amin’ny fanofanana ireo teknisianina misahana ny famerenana amin’ny laoniny ireo vakoka voatahiry ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana. Eny amin’ny rova fonenan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony eny Amboditsiry no heverina hatao toeram-piasan’ireo teknisianina ireo izay afaka handray an-tanana ny fikoloana sy fanajariana ireo vakoka an’olon-tsotra koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT