Rotsak’orana aza maha tondraka ny nosy

Asa izay hitranga raha sanatria rivodoza


  • Zoma 21 Febroary 2025

Asa izay hitranga raha sanatria rivodoza no tonga hamakivaky ity Madagasikara ity

mandra-pahatapitr’izao vanim-potoam-pahavaratra tratra aoriana izao! Rotsak’orana aza maha tondraka ny nosy. Ny eto Antananarivo moa dia fijaliana foana isan-taona ho an’ireo faritra iva. Fitaintainan-dava ny an’ireo tsy mahafoy ny fonenany eny amin’ny toerana avo. Miotsaka ny tany. Rava ny tamboho. Ny olompirenena tsy mety tonga saina amin’ny loza aterak’ireo karazam-pako atsipitsipiny sy ariany anatin’ireo karazan-tatatra tokony hivoahan’ny rano. Tsy ny lafiny fitantanana ny raharaha politika sy toekarena ary sosialy hatramin’ny diplaomasia ihany no voamarina fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy, hoy ireo fanehoan-kevitra samihafa, ary tsy ny fanabeazana ireo zaza any an-tsekoly ihany koa fa hatramin’ny fanabeazana ireo olompirenena ihany koa izany io hita mivantana ho miha mitotongana hatrany io. Hoavy tahaka ny ahoana no antenaina ho an’ity firenena ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT