Rotsak’orana

Andrandraina hitohy sy ho betsaka…


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Andrandraina hitohy hatreto ny rotsak’orana, raha ny hita omaly teto Antananarivo renivohitra aloha.

Ny any amin’ireo faritra manodidina sy moron-dranomasina koa torak’izany, indrindra, manoloana ny fisian’ity andro ratsy andrasana iforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika ity. Orana mitsitaitaika hatrany no nanako sesilany teo aloha teo, raha nisy. Zara raha naharitra atsasak’adiny na ora iray monja izany, ho an’ny faritra sasany. Mbola tsy amin’ilay tena mamonto tany ireny, hoy ny filazan’ireo tantsaha azy. Na izany na tsy izany anefa dia heverina fa ilaina hatrany aloha izay rotsak’orana izay. Isan’ny heverina ho tombony ihany koa tetsy ankilany ny fahafahan’ny herinaratra niverina indray.
HO BETSAKA NY ROTSAK’ORANA…
Noho ny tsiokan’ny talio dia tombanana ho betsaka ny rotsak’orana ho an’ny atitany sy ny faritra afovoany andrefan’ny Nosy (70 hatramin’ny 100mm ao anatin’ny 24 ora). Mihatra araka izany ny fampitandremana miloko mavo anio alarobia 22 janoary ho an'ny faritra Betsiboka, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, ary ny distrikan'Ambatofinandrahana. Fampitandremana miloko maitso ny Zoma 24 Janoary hatrami’nny Alahady 26 Janoary 2025 ho an’ny faritra Melaky, Menabe, ny distrikan’i Morombe, Beroroha, Ankazoabo ary Sakaraha. Mety hitarika fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavan’andro; fiandronan’ny rano amin'ireo toerana mora tondraka; fiakaran’ny renirano ary fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo ny fahabetsahan'ny orana, hoy ny fampitandreman'i Météo Madagasikara.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT