Lasa maha faly sahirana amin’ny delestazy ny rotsak’oram-pahavaratra ankehitriny
satria dia tonga amin’ilay fomba fitenin’ny tanora izy ity hoe «tsy miraty» mihitsy. Tsy maintsy iomanana foana izany ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny rehefa misy rotsak’orana arahana varatra na kotroka toy ireny niseho teto Antananarivo omaly ireny. Niseho indray tokoa moa izany. Rehefa kelikely mety tsy ho any amin’ny hoe inona intsony no vahaolana maharitra amin’izy ity no mety ho fanontaniana fototra fa hoe ahoana no hanorenana ireo fahasimban’ny entan’olona, indrindra, ny asan’olona vokatr’ity tsy fahatomombanan’ny herinaratra ity? Ny fitarainana voaray mikasika azy ity any amin’ny faritany maro manerana an’i Madagasikara moa efa tsy hita intsony izay ilazana azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.