Rotsak'orana sy fiakaran'ny rano

Tafakatra 4 ny maty, 3 tsy hita popoka, 7000 traboina


  • Zoma 26 Janoary 2024

Mitombo ny voka-dratsin’ny ora-mikija sy ny fiakaran’ny rano.

Faritra 10 no voakasiky ny rano miakatra : Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Diana, Fitovavy, Melaky, Menabe, ary Sofia. Tafakatra 4 no maty, ka 1 tany Maevatanana tototry ny trano, 2 tany Toamasina II, ary 1 tany Port Berger izay samy nentin’ny rano. Miisa 3 kosa no mbola tsy hita popoka. 219 tokantrano na 1000 olona eo no napetraka any amin’ny toeram-pandraisana 8. Mahatratra 2023 ny trano dibodrano, ary manodidina ny 7000 ny traboina. Misy ihany koa ireo fotodrafitrasa toy ny sekoly simba, ny làlana betsaka ny potika ka anisan’ny tapaka ny RN6 eo Maromandia mialohan’ny hidirana an’Ambaja izay nihotsaka satria nisy nangalatra ihany koa ny bizo. Isan'ny tena lasibatra ny Faritra Sofia sy Diana, toy ny distrikan'Analalava izay toerana maro no traboina, ny tany Anjiajia dia nisy teny an-tafon-trano ny olona manodidina ny 300 no niandry famonjenaManodidina ny 2200 ny tanimbary dibo-drano. Na eo aza ny fikorontanan'ny toetr'andro sy ny fiforonanana andro ratsy any amin'ny fari-dranomasina Indianina, dia voalaza fa tsy mbola ahiana ny fisian'ny rivodoza handalo an'i Madagasikara ao anatin'ny roa herinandro. Tombanana hitohy hatrany kosa ny rotsak'orana betsaka (40 hatramin'ny 80mm ao anatin'ny 24 ora) any tapany avaratry ny Nosy hatramin'ny vokatry ny oram-baratra ateraky ny talio sy ny Zone de Convergence Inter-Tropicale (ZCIT), hoy ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Nahazo filazana fampitandremana miloko mavo ny faritra Diana sy Sofia, Sava, Betsiboka, Itasy, Bongolava ary ny distrikan'i Ankazobe, Mananara avaratra sy Matoantsetra. Filazana fampitandremana miloko maitso: distrikan'i Andilamena, Amparafaravola, Ambatondrazaka, Anjozorobe, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandrina, Antananarivo renivohitra, Antananarivo Atsimondrano ary Antananarivo Avaradrano.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT