Rotaka tao Tanambao Tsirandrany

«Adin’ny 4 na 5 taty aoriana vao tonga ny mpitandro filaminana»


  • Talata 18 Martsa 2025

Niantso ahy ny papako raha nisy namono ny zandriko, hoy i Vainqueur,

zandrin’ny zanak’ilay ben’ny tanànan’i Tanambao Tsirandrany, distrikan’i Bekily, izay maty nisy namono ny sabotsy teo. Izaho moa, hoy izy, teto Antananarivo. Mialohan’ny fety fametrahana samboady dia nanatona ny lehiben’ny distrika ny ben’ny tanàna hampahafantatra fa hametraka samboady ny sabotsy 15 martsa 2025. Natonona koa ny kaomandin’ny kaompanian’i Bekily, ny delegen’ny boriboritanin’ny kaominina, izay sady nomena taratasy fanasàna mba hanatrika ny lanonana. Nangatahana mpitandro filaminana mandritra ny fety ny kaomandin’ny borigady. Tsy tonga ny mpitandro filaminana na natao aza izany rehetra izany. Sabotsy maraina be no nisy andian’olona izay nifaninana tamin’ny ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny antoko AVI nirombo ny ekipany rehetra nitondra basy, vato, pilotra, nitsoaka kiririoka avy any atsinanana nanafika ny tanànan’ny ben’ny tanàna. Nanapoaka basy variraraka ry zareo nandritry ny fanafihana ny tanàna. Simbany ny zava-drehetra, fanaka, trano. Nosamboriny ny zokiko antsoina hoe Andry izay ben’ny tanàna teo aloha no sady mpampianatra. Nentin-drizareo novonoina tany ambadika tany tamin’ny fomba feno habibiana ilay zokiko. Notsatohana antsy tamin’ny lohany sy lamosiny ary feny. Nototototoiny tamin’ny vatobe avy eo ny lohany ka tsy nisy noraisina. Ny sasany koa avy eo saika hisambotra ny ben’ny tanàna. Niaro tena moa ny ben’ny tanàna dia nitifitra ka maty ilay saika hisambotra azy. Tezitra ry zareo avy eo dia nandravarava teo amin’ny trano 13 tafo teo. Norobainy ny moto, vola, vary amina lasaka maromaro izay tokony nanaovana ilay fety lasany daholo. Tokotokony ho tany amin’ny 11 maraina tany vao tonga ny mpitandro filaminana. Tokotokony ho tamin’ny 6 ora maraina izahay anefa no niantso ireo mpitandro filaminana. Nantsoina ny kaomandin’ny kaompanian’i Bekily. Nantsoina ny CR Toliara sy ny kaomandin’ny tobim-pivondronan’Ambovombe Androy. Niteny ireto farany hoe efa any ny mpitandro filaminana ao Bekily izay tarihin’ny kaomandin’ny kaompanian’i Bekily. Nantsoina ireo dia hoe tsy misy fiara sy fitaovana. Niantso fianakaviana izahay hanatitra fiara tsy mataho-dalana hitondràna ireo mpitandro filaminana. Naterina izany saingy adin’ny iray taty aoriana ireo mbola tsy nandeha na efa tonga tao aza ny fiara. Nantsoina ny kolonely dia nilaza fa efa lasa. Nantsoina ny tao Bekily dia hoe mbola miandry ekipa. 12km no manelanelana ny tanàna sy ny tobin’ny mpitandro filaminana nefa dia adin’ny 4 na 5 taty aoriana ry zareo vao tonga, hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT