Na dia betsaka sy miparitaka eny an-tsena aza amin’izao ireo karazana rononomandry mamy, fromazy avy any ivelany dia mbola tena be mpanjifa sy tian’ny olona tokoa ny vita Malagasy eto amintsika
. Ho an’ny orinasa Socolait manokana dia tena mandeha be ny tsena amin’izao. Nanampy izany ny fampidinan’izy ireo ny vidin’entana nanomboka tamin’ny faran’ny taona, mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra. Mba ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ary dia handray anjara amin’ilay Salon de l’Industrie de Madagascar tanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina izy ireo manomboka amin’ny Alakamisy ho avy izao. Hisy ny fanandramana tsiro omen’izy ireo mandritra izany mba hahatsapan’ireo tsy mbola nihinana ny tsiron’ny sakafo vita Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.