Actualités

Rolly Mercia Ahiana ny ainy ?


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Reraka sady marary mafy any am-ponja i Harry Laurent Rahajason na Rolly

 

 

 

Mercia, Minisitry ny serasera teo aloha, araka ny taratasy mahakasika ny fizaham-pahasalamany, hoy ny fianakaviany, ary ahiana tanteraka ny ainy. Mangataka ny famoahana azy vonjimaika hatrany noho izao antony ara-pahasalamana izao ny fianakaviany ary manamafy izany fangatahana izany any amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izy ireo. Etsy ankilany dia nanambara ny eo anivon` ny fandraharahana ny fonja fa maro ny dingana arahina amin` ny fitsaboana izay tsy mbola voatsara. “Mbola tsy maintsy zahan` ny mpitsabo eo anivon` ny fonja aloha ny marary toy ny fanaraha-maso ny fahasalamana nataony, fanafody ampiasaina,… Raha tsy maintsy alefa hopitaly ivelan` ny fonja kosa ny olona tsy mbola voatsara dia mangataka ny atao hoe “evacuation sanitaire”. Izany koa anefa dia mbola angatahina hevitra amin` ny tribonaly izay nanome fampidirana vonjimaika azy. Rehefa manaiky kosa ny tribonaly dia afaka tsaboina ivelan`ny fonja saingy tsy maintsy ambenana hatrany” hoy ny teo anivon` ny DGAP. Raha tsiahivina, ny 16 jolay lasa teo no nampidirina vonjimaia teny amin` ny fonjan` Antanimora I Harry Laurent Rahajason ary mbola miandry ny datim-pitsarana azy izy araka ny nambaran` ny mpisolovava miaro azy. Ny 20 jolay kosa dia nanao valan-dresaka amin` ny mpanao gazety ny fianakavianany nanambara ny tsy fahasalaman` ity minisitra teo aloha ity. Raha ny fantatra moa dia sady voan’ny diabeta no misy tosidra ambony i Rolly Mercia.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT