Niakatra fampanoavana tetsy amin’ny tribonalin’Anosy omaly ny mpanakanto, mpihira sady mpitendry sy mpamorona, Rolf Razafindrakoto, fantatry ny mpankafy kanto amin’ny hoe Rolf.
Resaka fanelezana tsaho momba ny raharaha fanampiana mitentina 1 tapitrisa ariary ho an’ireo mpanakanto, fanohintohinana fiandrianam-panjakana, fanalam-baraka imasom-bahoaka, raha fintinina no isan’ny antony lehibe niampangana ity mpanakanto ity. Ambenana sy arahan’ny fitsarana maso akaiky nanomboka omaly izy sy ireo olona miisa 3 hafa voarohirojy miaraka aminy, raha ny fampitam-baovao voaray. Hisy ihany koa ny fanadihadiana lalina ho sokafana mikasika ity raharaha ity, eo am-piandrasana ny tena didim-pitsarana, hoy hatrany ny vaovao voaray.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.