Mbola zavatra hafa koa ny làlam-pifidianana, hoy ny depiote voafidy tao Toamasina I, Roland Ratsiraka, namory ireo depiote sasany namany sy mpanao politika maromaro tetsy amin’ny Radisson blu Ambodivona omaly.
Misy tenin-drizareo masoivoho sasany izao hoe tokony ferana ny vola ampiasaina, hoy izy. Ny làlam-pifidianana no mifehy an’izany. Azo atao izany fa mbola misy adihevitra. Mbola hoe mety sa tsy mety? Amin’ny fomba ahoana? Mety sarotra! Tsotra ny tolo-dalàna omenay. Andininy na “article” miisa 7 no tokony ovaina. Manana CENI mahaleotena isika, mahavita mikirakira fifidianana araka ny tokony ho izy, mpikamban’ny CENI koa amin’izay fotoana izay mpikamban’ny fiarahamonim-pirenena, sendikan’ny mpitsara, sendikan’ny administratera sivily sy ny toy izany dia amin’izay tsy misy kianina intsony ilay izy. Tsy maintsy iadiana izay satria raha sanatria miziriziry ny fitondram-panjakana dia midina an-dalambe ny olona dia hiverina amin’ity foana isika. Aleo vahana dien’izao ny olana. Manantena izahay fa mba hanana fahendrena sy ho tonga saina ny fitondrana. Misy solombavambahoaka ireo. Solombavambahoakan’ny fitondrana izy androany fa mbola ho kandidan’ny fitondrana ve izy rahampitso? Mahaliana ilay solombavambahoaka anaty fitondrana koa, noho izany, ity zavatra ity satria izy mba te ho lany ary mety tsy ho kandidan’ny fitondrana intsony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.