Namaivay ny tsikera nomen’ny depioten’i Toamasina I, Roland Ratsiraka, ny fitondram-panjakana nandritry ny fandraisam-pitenenany tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.
Nilaza ho sorena sy naneho fihetsika tezitra, hoy izy, ny filoham-pirenena manoloana ny fihetsik’i Toamasina fa izaho kosa malahelo an’i Toamasina. Ny zava-nisy hatramin’izay nidiran’ny viriosin’ny COVID 19 teto amin’ny firenena izay dia tsy nahomby mihitsy ny paikadin’ny fanjakana hiadiana amin’ity aretina ity. Tsy misy mihitsy ilay paikady, hoy izy, no tena marina. Tokony hisy fanatonana “epidémologiste” mialohan’izany hanaovana fihibohana izany saingy tsy nisy akory fa avy hatrany dia nahiboka Antananarivo sy Toamasina. Tsy mbola nisy tranga akory tao Toamasina dia efa nahiboka, hoy izy. Paikady ho amin’ny hahamehana ara-tsosialy no andaniana miliara fa ny paikady ho amin’ny hahamehana ara-pahasalamana tsy misy. Tsy ampy ny blozin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Tsy ampy ny “test” fa miandry ny aty Antananarivo ny any Toamasina, mila ampitomboina io resaka "test" na fitiliana io, hoy izy. Tsy misy koa ny fitsapana hafanana, hoy izy, fa izaho no nanome fitsapana hafanana teny amin’ny RN2 kanefa 200.000 ariary no vidin’ireny “thermoflash” atao amin’ny andrina ireny. Tsy misy fiara hitondrana marary sy solika dia tenenina amin’ny minisitra mandalo izany saingy tsy laharam-pahamehana aminy, hoy izy. Ny fanjakana ihany no mamory olona isan’andro amin’ny loharano sy ny tariny. “Confinement” sady mampikatso toekarena no mampitombo ny “cas positif” no asain’ny fanjakana atao, hoy izy, ka hajanony fa tsy misy dikany. Avelao ny olona hiasa dia miaro tena fa ny tena tsy tiako amin’ny ataon’ilay fanjakana dia tereny tsy hiasa ianao amin’izay mangataka aminy. “C’est mal saint!”, hoy izy, tamin’ny teny vahiny no sady nanamafy fa tsy nisy “confinement” izany akory teto.
J. Mirija sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.