Actualités

Robin Nanala CEPE eo amin’ny faha-42 taonany


  • Alarobia 16 Jolay 2014

Tao anatin’ny erika manify no niatrehan’ireo mpiadina CEPE ny fanadinana tao an-drenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro

Tamin’ny ankapobeny dia nizotra tam-pilaminana ny adina CEPE tany amin’ny foibe fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro. Nahatratra 25.506 mianadahy ny ankizy voasoratra anarana niatrika fanadinana izay nitsinjara tamin’ny foibem-panadinana 113. Niampy roa ny foibem-panadinana tany amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Anosibe an’Ala tamin’ity taona ity noho ny fitsinjovana ireo ankizy mipetraka lavitra ny toerana hanatanterahana ny fanadinana, hoy ny Talem-paritry ny foibe fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro Ratovotahaka Miandravola. 8 taona ny zandriny indrindra ary 42 taona ny zokiny indrindra, dia i Robin. Tao amin’ny CEG Razaka izy no niadina. Fitaratra ho an'ny zanaka sy noho ny fivoarana no nandrisika azy. Marihina fa hanala fanadinana BEPC amin'ity ny zanany. Hanomboka anio ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ary kasaina hivoaka mialoha ny faran’ny herinandro ny voka-panadinana. Nirary soa ireo ankizy rehetra niatrika iny fanadinana iny omaly ny Talem-paritry ny foibe fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT