Atoa Robimanana Orlando, Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana no vahinin’ny Sokela anio, mampahalala ny fahasalaman’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny hoaviny manoloana izao krizy tsy manam-piafarany izao.
Tia Tanindrazana(TT) : Manao ahoana ny fahasalaman’ny Tahirimbolam-panjakana izao ?
Robimanana Orlando (RO) : Vao nanomboka ny krizy dia tsy nitsaha-niteny ny fiantraikany aty amin’ny Tahirimbolam-panjakana aho satria nitsahatra tamin’ny desambra 2008 ny famatsiam-bola avy any ivelany izay nahatratra 160 tapitrisa dolara isan-taona. Noho ny krizy dia mihena ny fandraharahana ary mihena araka izay koa ny vokatra sy ny vola miditra amin’ny alalalan’ny hetra sy ny fadintseranana. Araka ny tombana nataonay tamin’ny 2010-2011 dia misy vola 4.000 miliara Ariary tokony ho niditra tao amin’ny kitapombolam-panjakana nefa tsy tafiditra tamin’ny faran’ny taona 2011. Tsy nisy niraika anefa ny mpanao politika teo anatrehan’izany satria tsy nisy na iray aza mba nitarika adihevitra momba izany. Mbola manampy trotraka ny fahasahiranana koa ny fanekena tsy fandoavan-ketra nangatahan’ny miaramila, ny fanomezana “fanampiana manokana” ireo kaompania mpanafatra solika ho tambin’ny fitazonany ny vidin-tsolika. Iaraha-mahalala fa manda tsy handoa ny hetrany mivantana amin’ny fanjakana ny mpandraharaha sasany. Ireny rehetra ireny dia mampihena ny vola miditra avokoa. Etsy an-daniny anefa dia tsy nihena mihitsy ny fandaniana tao anatin’izay efa-taona sy tapany izay. Mandray fepetra fitsitsiana avy hatrany ny firenen-kafa raha vao miaina krizy sahala amin’izao amin’ny alalan’ny fanenana ny isa sy ny karaman’ny mpiasam-panjakana ao aminy. Ny antsika anefa miakatra 10% isan-taona ny karama. Etsy an-daniny dia miteraka famatsiam-bola ho an’ny kaompanian-tsolika sy Jirama ny fitazonana ny vidin’ny solika sy ny jiro. Efa hatramin’ny 2009 izahay no nampaneno lakolosy momba ny fahasahiranan’ny Tahirimbolam-panjakana fa tsy nisy mpihaino. Vao namoaka ny tatitra milaza ny tahan’ny fahantrana 92% eto amintsika anefa ny Banky Iraisam-pirenena dia nikoropaka avokoa ny rehetra.
TT : Sao dia manao vola baoritra “planche à billets” kosa ianareo ?
RO : Nampiasa ny fahaizamanaony ny teknisianina Malagasy mba hitohizan’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny trosantsika any ivelany ary mba hampandeha ny raharaham-panjakana. Mitologaga avokoa ireo Tahirimbolam-panjakana vahiny eo anatrehan’izany ary miantso anay hizara ny traikefa. Tsy mbola nisy anefa antokon’olona na politika mba nankasitraka izany fa fanosoram-potaka anay ho mampiasa famatsiam-bola hafa aza no azo. Lazaina fa mivarotra “bois de rose”, manao “planche à billets” ny fanjakana. Mampalahelo ny teknisianina Malagasy ny tsy fahatokisana sy tsy finoana ny fahaizamanaony sahala amin’izany.
TT : Mihena ny fidiram-bola nefa ny fandaniana mitombo. Na dia tsara aza ny fitantananareo, misy fetrany ny zava-drehetra. Mbola azo antoko ve ohatra ny karaman’ny mpiasa hatramin’ny faran’ny taona ?
RO : Misy fetrany tokoa ny fahaizan’ny olombelona sy ny fahafaha-manao. Mbola marihiko ihany koa rehefa miresaka fandaniana isika fa i Madagasikara irery eran’izao tontolo izao no firenena manana andrimpanjakana sivy be izao izay samy manana ny tetibolany manokana. Ao ny CT, CST, CMDM, CSC, FFM, CES, CENI-T, HCC, Governemanta. Olona maro dia maro avokoa no mandrafitra azy ireo nefa tsy misy olona mba manana eritreritra hanao adihevitra momba ny fiantraikany amin’ny Tahirimbolam-panjakana mihitsy fa ankinina aminay samirery. Raha mbola mitohy izao dia sahiko no milaza fa indray andro any dia hidona amin’ny rindrina. Tsara ho fantatry ny rehetra fa rehefa ny Tahirimbolam-panjakana no sempotra dia tsy misy afa-miala ny firenena iray manontolo satria ny mpiasam-panjakana miisa 150.000 samy tsy handray karama, torak’izay koa ny mpandray fisotroan-dronono miisa 80.000 ary tsy ho voaloa ny volan’ireo orinasa madinika an’arivony. Manginy fotsiny ny sazy avy amin’ny mpamatsy vola rehefa tsy voaverina ny volany, tsy resahana ny fisondrotry ny vidim-piainana.
TT : Voasoketa foana ianareo rehefa misy fitokonana noho ny fahataran’ny karama na vatsim-pianarana ?
RO : Tiako homarihina fa ny Ministera sy andrimpanjakana samihafa no mikarakara ny antontan-taratasy amin’ny fandoavana vola. Rehefa tonga eto aminay kosa ny dosie dia manana 5 andro izahay hanaovana fanadihadiana sy fanaraha-maso azy ireny. Momba ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy ny fahataran’ny karama mahatonga ireny fitokonana ireny dia 1 andro ihany no mandalo aty aminay ny antontan-taratasy. Raha ny CEPE farany teo izao dia ny maraina no azonay ny vola haloa dia ny hariva dia efa voaloa. Azo hamarinina izany. Ny mahagaga anefa dia amin’ilay andro aharaisanay ny antontan-taratasy iny no dradradradraina fa efa aty amin’ny Tahirimbolam-panjakana mba hanasoketana anay.
TT : Mamoaka vola ihany izany ianareo na dia tsy mandalo ny “Inspection d’Etat” aza ny antontan-taratasy ?
RO: Misy ny kaonty ho an’ny “Établissement Public” izay tsy mandalo “Contrôle financier” fa mipetraka anaty “Compte de dépôt ». Izany hoe mitohy ny famoaham-bola raha vao misy “Compte de dépôt”. Raha ny fantatro dia misy ny fandaniana maika sy saropady izay tsy maintsy aloa na dia misy aza ny fitokonana. Anisan’zany ohatra ny karaman’ny ECD, ny vatsim-pianarana. Misy ihany koa anie ny “réquisition”.
TT : Azo antoka ve fa tsy mampiasa ny “Compte de dépôt” amin’ny firotsahany ireo minisitra sy ny filohan’ny FAT izay kandida amin’izao ?
RO : Nandritra ny telo taona dia nanakiana ny fampiasana azy io izahay. Tao anatin’ny folo taona farany mantsy dia niroborobo tokoa ny fampiasana azy. Ireo vondrom-bahoakam-paritra sy ny “Établissement Public” no tokony hanana “Compte de dépôt” fa tsy ny fanjakana foibe. Na ny ministera sy andrimpanjakana dia samy nanokatra avokoa. Ny tena olana dia avadik’izy ireo ao anatin’io kaonty avokoa ny ankamaroan’ny tetibolany nefa tsy afaka manara-maso ny fampiasana azy akory ny Tahirimbolam-panjakana. Amin’ny fampiasana azy io no tena nisian’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana be indrindra tao anatin’ny taona maro.
TT : Volabe amina miliara no lasan’ny olona amin’ny taratasim-bola hosoka, goragora anie izany ny fanaraha-maso ataonareo matoa nisy ireny ?
RO : Raharaha roa no niseho ka ny voalohany tamin’ny volana desambra 2012 raha vao tsy ela akory ny faharoa. Tsy misy idiran’ny Tahirimbolam-panjakana aloha ilay raharaha tamin’ny desambra 2012 satria tsy nandalo teto aminay ilay taratasim-bola fa nentin’ireo mpisandoka nakany vola tany amin’ny Banky Foibe. Rehefa voa tamin’iny ny Banky Foibe dia nandray fanapahan-kevitra niaraka taminay ary noho ny fisian’io fepetra io dia tra-tehaka ny olona izay saika hanao fanandramana indray. Tiako marihina fa ny mpikirakira vola rehetra na ao amin’ny Banky Foibe, banky tsotra, “Caisse d’épargne” dia tokony samy ho mailo sy mitandrina avokoa. Tsy mahadiso mihitsy ny miantso an-tariby manao fanamarihana alohan’ny fandoavam-bola.
TT : Ahoana no fandoavana ny volan’ireo “Agents déflatés BTM-BFV” ?
RO : Raha ny antontan-taratasy eo am-pelatananay dia vola fanampiana ireo mpiasa niala tamin’ny asany mba hanana anton’asa no nifanarahana, izany hoe tokony hitondra tetikasa izany ireo mpiasa ireo ary raha hita fa mitombina ilay izy dia omena famatsiana. Niova anefa ilay izy nony taty aoriana satria lasa manana endrika zo ara-tsosialy “droits sociaux” ilay izy, izany hoe na dia tsy manana tetikasa aza dia tsy maintsy omena ilay vola. Tsy afaka mamorona fifanarahana hafa ankoatra izay misy ny Tahirimbolam-panjakana. Manana andraikitra goavana ny “comptable” mamoaka ny vola ka raha sanatria mivaona amin’ny asany izy dia izy indray no iharan’ny sazy eo.
TT : Mbola mihodina ny Tahirimbolam-panjakana, mampiasa “bon de trésor par adjudication” (BTA) be dia be izany ianareo ?
RO : Tandrovanay toy ny anakandriamaso ny mifehy ny tsenan’ny BTA. Na maro aza ny filàn’ny fanjakana ara-bola dia sanatria tsy mandroaka izay hitanay ao amin’ny tsena izahay. Tandrovanay hatrany ny fisondrotry ny trosa anatiny sy ny fifehezana ny tahan’ny zanabola. Raha mbola fampandehanan-draharaha no filàn’ny fanjakana dia tsy hanao “planche à billets” sy ny fitrosana ao amin’ny Banky Foibe izahay fa hampidangana ny vidim-piainana izany.
TT : Ary miditra ao amin’ny kitapombolam-panjakana ve ny RSA sy ny “carte grise électronique” ?
RO : Tsy mankaty amin’ny fanjakana foibe ny RSA. Momba ny “carte grise électronique” dia am-pandaminana ny pitsopitsony rehetra momba an’io mba hifaranaka amin’ny didy aman-dalàna mihatra eto amin’ny firenena. Efa mandeha ny fifampidinihana amin’ny Ministeran’ny atitany amin’ny fampiharana azy
TT : Teny fohy hamaranana ny resadresaka
RO : Hofenoina 5 taona ve ity krizy ity vao hajanona sa rahoviana ? Ny Tahirimbolam-panjakana dia manao ny ezaka rehetra mba hanenana ny voka-dratsin’ny krizy amin’ny fiainan’ny vahoaka. Aza avela hilofika ny Tahirimbolam-panjakana fa vao mainka mihoatra noho izao ny hanjo ny firenena.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.