mba tsy ilazana hoe mampihorohoro ny
saina mihitsy ireo endrika tsy fandriampahalemana samihafa niseho tato ho ato. Firehetana fiara teny amin'ny lalam-pirenena nifanesy teo. Ny olona andeha hamonjy fodiana misy mandaroka sy maka ny fananany. Saika heno matetika koa izany. Ny resaka fandraikiraikena, ny sinto-mahery, fanendahana, asan-dahalo sy ny maro hafa tsy voatanisa dia saika hita ho niteraka savorovoro hatreny teny anivona fiarahamonina samihafa izany, na ambanivohitra io na an-drenivohitra. Ankoatran'izay tsy fandriampahalemana ara-tsosialy dia iaraha-mahita koa io ny tontolo politika, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fisavorovoroana. Saika nosamborina avokoa, rehefa tsy izay dia tratry ny fitoriana, ireo olon'ny fitondrana teo aloha. Mitohy ny grevin'ireo milaza azy ho Gen Z. Tsy maintsy ahemotra, hoy ny tomponandraikitra ny fikaonandoha saingy ankilan'izay nefa iretsy tanora iretsy dia mbola manohy mitaky ny handravana andrim-panjakana maro toy ny HCC, CENI, HCDDED sy ny hafa marobe na dia efa nanamafy aza ny filohan'ny fanavaozana fa mbola tsy azo atao izany. Ny an'ny tanora tsy nahay nifehy fihetseham-po sasany moa dia ny mpanao gazety tsy nanao afa-tsy ny nampahatsiahy izay nambaran'ny filoha izay indray no sahiny norahonana fotsiny izao. Izany ve no tanora hitondra firenena na koa ho lazaina hoe hoavin'ny firenena ao aoriana kely ao? Izany rehetra izany miampy ny olan'ny fifidianana mbola tsy mety mivaha sy ny resaka fahaleovantenam-pirenena marina miampy ny hoe sao tokony ho dinihina lalina koa ny mikasika ny fahaleovantena amin'ny fitantanana ny harem-pirenentsika izay izao no mbola tazana ho miteraka fisavorovoroana hatrany. Savorovoro hilantoana sa hitondra antsika ho aiza izany rehetra izany? Andrasana ny fandaminana sy elanelam-panahy entin'ireo heverina ho Raiamandreny sy olon-kendry eto amin'ity firenena ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.