Miforitra anaty ny mponina, tahotra ireo Solontenam-panjakana
Velom-panantenana, toy ny Malagasy maro manerana ny Nosy, ny vahoakan'Andranomiely Sud amin'izao andron'ny Fanavaozana izao rehefa ela niforetana anaty amin'ny afitsok'ireo solontenam-panjakana sasany. Nahatsiaro ho hadino, toy ny nanao antso an-tany efitra mantsy ny vahoakan'ity Kaominina ity tamin'ireo fitarainana nataon'izy ireo manolona ny teritery eny hatramin'ny horohoro niainan'izy ireo. Mihatra aman'aina mihitsy izany, toy ny namoizana ny Ben'ny tanàna tao an-toerana ny janoary 2024, maty nisy nitifitra. Raha mba nisinda kely ny tsy fandriampahalemana dia miseho lany indray tato ho aho fanararaotana amin'ny endrika samihafa ataon'ny solontenam-panjakana sasany araka ny tatitra sy fitarainana voarain'Atoa Jean Claude, Ben'ny tanàna Andranomiely Sud ary efa nanaovan'ity farany fampahafantarana ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga. Eo ny fitakiana vola mihoapampana amin'ny mpiompy raha misy fivarotana omby sy fanoratana izany anaty bokin'omby na efa misy aza ny sarany voafaritra eo anivon'ny Kaominina momba ny FIB. Very anjavony ny fitarainan'ny olona iharan'ny herisetra ary ny loza aza, hoy ny Ben'ny tanàna, dia ny lasibatra indray no iharan'ny tsindry sy fampihorohoroana ka tratry ny fiforetana anaty noho ny tahotra, ka nanaovan'ny Ben'ny tanàna fanairana ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga mba hisy fandraisana fepetra fa mampiraviravy tanana ny Vahoaka ny zava-misy, ary mba tsy ho sakana amin'ny fampandrosoana ny Kaominina. Manantena ny vahoakan'Andranomiely fa hipaka any amin'izy ireo ny rivotry ny fanavaozana, ny ady amin'ny kolikoly hiverenan'ny filaminana sy firaisankina hisian'ny fampandrosoana. Any amin'ny sisintany mampisaraka ny Distrika Ankazobe Faritra Analamanga amin'ny Distrikan'i Maevatanana Faritra Betsiboka no misy ny Kaominina ambanivohitra Andranomiely Sud. Ankoatra ny fambolena sy ny fiompiana dia manana harena an-kibon'ny tany koa ity Kaominina ity, ary maro ny mponina ao an-toerana no mivelona amin'ny fitrandrahana izany.
Jean D.
Jean Claude, Ben'ny tanàna Andranomiely Sud
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.