hazo voamboana 50 sy traktera 2 nogiazana
Olona miisa 20 no indray tra-tehaky ny ekipan'ny Fitaleavam-paritra ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy niaraka tamin'ny mpitandro ny filaminana ary ny komity mpiray Dina tao amin'ny atialan’i Ampatakamaroreny, Distrikan’i Mandritsara, Faritra Sofia omaly alahady 10 may 2026, nitrandraka an-tsokosoko hazo sarobidy. Nisy hazo voamboana 50 isa efa voatapaka sy traktera miisa roa izay saika hitondrana ireto hazo sarobidy ireo ho any Andilamena ihany koa tra-tehaka niaraka tamin’izy ireo tao anaty ala.️ Nogiazana avy hatrany moa ireo hazo sarobidy tratra sy ny fiara ary nentina ho ato fanadihadiana ireo olona miisa 20 tratra niaraka aminy ireto hafantarana ny mpiray tikombakomba aminy. Mbola misy olona hafa tafaporitsaka nandritra ny fisamborana ka eo am-pikarohana azy ireo ny mpitandro ny filaminana ankehitriny. Marihina fa voararan'ny lalàna eto Madagasikara ny fitrandrahana hazo sarobidy ary tafiditra ao anatin’izany ny voamboana na palissandre. Tsy maintsy atolotra ny Fitsarana sy iharan’ny sazy mifandraika amin’izany avokoa ireo izay tratra manao izany.
Nangonin'i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.