Politika

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny


  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Filoha koa i Andrianjato Vonison

Notendrena ho mpanolontsaina manokan'ny filohan'ny fiadidianana ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara, Ny Kolonely Michael Randrianirina, ihany koa ny mpanao gazety, mpahaiolona, minisitry ny serasera teo aloha, Razafindambo Andrianjato Vonison na Andrianjato Vonison. Fantatra, raha ny fampitam-baovao voaray omaly, ny didim-panjakana laharana faha 2026-962 manendry azy. Ny tontolon'ny famakafakana politika sy raharaham-pirenena no tena nahafantarana an'i Andrianjato Vonison, indrindra, taorian'ireny hetsiky ny depiote miisa 73 ny taona 2018 ireny. Minisitry ny serasera moa izy talohan'io ary fantatra tamin'ny famolavolana ny antsoina hoe "Sata mifehy ny fifandraisana" na "Code de communication médiatisé", izay nokasaina hitantanana ny tontolon'ny fanaovan-gazety teto Madagasikara nanomboka teo. Notoherin'ny minisitra nandimby azy taty aoriana, Lalatiana Rakotondrazafy, fatratra izany lalàna nantsoiny hoe "Lalàna Andrianjato" izany nefa niaraha-nahita sy nahalala taty aoriana hoe nanao ahoana moa izay tontolon'ny fahalalahana maneho hevitra sy fanaovan-gazety izay nony nitantana azy ity ramatoa voalaza teo ity. Nitotongana, hoy ny RSF na Reporter sans frontières, izay sampan-draharaha iraisampirenena namoaka fa very laharana miisa 40 mahery tany ho any mihitsy ny tontolon'ny fanaovan-gazety sy fahalalahana maneho hevitra teto Madagasikara. Na izany na tsy izany, raha ny ara-taratasy, araka ny filazan-drizalahy mpitantara baolina kitra izany aloha no ambara, dia azo lazaina ho voadidina manam-pahaizana ny filohan'ny fanavaozana, raha ireo mpanolontsaina tekinika sy manokana no jerena. Voadidin'ireo herivelona politika manana fomba fijery marolafy ihany koa amin'ny alalan'ny mpitarika azy ireo izay isan'ny mpanolontsaina izay filohan'ny fanavaozana izay. Ao ny filohan'ny antoko politika Otrikafo, Elia Rabevahiny, ny filohan'ny ARB, Andry Raobelina, ny filohan'ny Tsara tahafina, Paraina Auguste sy ny hafa maro tsy voatanisa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT